4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sary mangina - Rija Ramanantoanina

Andalan-tononkalo iray,soratro tsy nahy,

Tantaran jazavavy iray...



Fa ao ambadik’ao

Injao fa reko koa

Mikalo ivaiva

Ianao mihirahira

Amorom-patan’eo



F’ilay tononkira hirainao

Dia ilay voasoratro teo

Nikalo mangina koa aho,

Nanaraka anao.



Fa tampoka teo

Eo imolotro eo,misy hira tsy nahy

Miakana kely ihany aho indraindray

Reko moramora toa feona

Mihirahira amorom-patan’eo



F’ilay tononkira hirainao,

Dia toy ilay tanatiko ao

Nikalo mangina koa aho,

Nanaraka anao.



Fa hiran’ny fo no injao fa re!

Milaza fitia,niantso fa hoe:

Anio lay fitia no mba te hiseho



Sary mangina no injao miha re

Ilay voasoratro,s’ilay hiranao

Anio aho hikaly fitia Ilay hirahira teo imolotrao.



       Auteur:Rija Ramanantoanina

       Compositeur:Rija Ramanantoanina

       Vocal:Faniah-Rija R

Partager sary mangina

Commenter sary mangina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Ramanantoanina

Suite